Actus

TOAMASINA: Fanofanana ireo mpanamory sambo fanamafisam-pahalalana ho fisorohana ny loza an-dranomasina
Nomena ireo mpihofana ho fanamafisam-pahalalana sy ny fivoarana amin’ny fitaterana an-dranomasina azy 38 mirahalahy, ny mari-pahaizana azon’izy ireo nandritra ny fihofanan’izy ireo teto Toamasina nandritra ny 20 andro. Ny APMF, na “ivo-toerana misahana ny seranan-tsambo sy fitanterana an-dranomasina ary an-dranomamy”, sy ny minisiteran’ny fitaterana no nikarakara izany.
“Mba hifehezan’ireo mpanamory sambo eto amintsika hisorohana ny loza an-dranomasina, ary hifehezan’ireo mpanamory sambo Malagasy ireto ny fivoaran’ny teknolojia sy ny teknika amin’ny fitaterana an-dranomasina, hanatrarana ny aotra ara-lozam-pifamoivoizana no nanofanana azy ireto…” hoy ny Kly Zipa Jean Hubert, tale jeneralin’ny APMF. Ireo mpanamory sambo efa niasa nandritra ny 24 volana no afaka niatrika izany, fihofanana izay tsy maintsy nandoavam-bola 200.000 ariary isaky ny mpihofana. Niisa 39 mirahalahy izy ireo tany amboalohany, nahitana ireo tena mpanamory ny sambo 27 sy ireo mekanisiana 12, saingy ny 38 ihany no nahavita izany hatramin’ny farany.
Nohararaotin’ny Kly Zipa Jean Hubert ihany koa ny nanamafy fa mbola tsy hita hatreto ny sambo kely “Luciana” izay nitondra entana 65 taonina sy mpanamory niisa 09 ary mpandeha tompon’entana niisa 04, izay niala teto Toamasina ny 23 jolay teo, ary tonga tao Sainte-Marie tamin’io daty io ihany tokony tamin’ny 09 ora alina. Niala tao kosa dimy andro taty aoriana hiazo an’Antalaha, saingy nanjavona an-dalana raha ny 28 jolay tamin’ny 03 ora maraina ny fifandraisana farany taminy. Hatreto izany tsy afaka hilaza ny minisiteran’ny fitaterana sy ny APMF amin’ny faharendrehany noho ny tsy fahampian’ireo porofo mikasika izany; mbola mitohy izany ny fitadiavana an’ity sambo kely “Luciana” ity.
Mahafehy tsara ny fitaterana an-dranomasina ireo mpanamory sy mekanisiana sambo eto amintsika. Ny tsy fananantsika sambo goavana tena hiasan’izy ireo no olana, hany ka miaina amin’ny sambo kely sy sambo mpanao ny “Bornage” ary sambo mpanao ny “Cabotage” fotsiny izy ireo amin’ny fahaizany…
Malala Didier