Actus

Fanadinana Anatiny hifidianana mpiofana any amin'ny ENSAM
|
|
Natao omaly alatsinainy 20 sy anio talata 21 janoary 2020 ny dingana voalohany amin’ny fifaninana anatiny eo anivon’ny APMF mba hifidianana mpiofana iray (01) ho « Administrateur des Affaires Maritimes » (AAM)sy mpiofana iray (01) ho « Inspecteur des Affaires Maritimes » (IAM) any amin’ny « Ecole Nationale de la Sécurité et des Affaires Maritimes »(ENSAM) any Nantes, Frantsa, mandritra ny taom-pianarana 2020-2021.
Araka izany anarany izany, ny AAM dia tomponandraikitra ambony, manam-pahaizana manokana momba ny fitantanana sy ny fandrindran-draharaha. Ny IAM kosa dia teknisianina ambony manana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ilaina hahalavorary sy hiarovana ny loza amin’ny fitaterana an-dranomasina. Ny fandraharahana resahina eto dia mikasika ny seranan-tsambo, ny sambo, ny mpiasa an-tsambo sy ny asa an-tsambo ary ny fitaterana an-dranomasina amin’ny ankapobeny.
Ny fananana AAM sy IAM nahavita ny fiofanana manokana dia takiana amin’ny andraikitra sahanin’ny APMF. Maro ireo fenitra iraisam-pirenena mihatra sy tsy maintsy hajaina amin’ny sehatry ny seranan-tsambo sy ny fitaterana an-dranomasina, ka mila manana antoka ny firenena sy izao tontolo izao amin’ny fahaizamanaon’ireo tomponandraikitra sy teknisianina ambony anankinana izany. Izany no mahatonga ny Foibempitantanan’ny APMF miezaka mba handefa olona iray avy isan-taona amin’ireo sampan-piofanana ireo any amin’ny ENSAM.
Misy dingana roa ny fifaninana. Folo (10)mianadahy mianaka ireo mpifaninana ho mpiofana AAM, ary fito (07)kosa ny IAM. Misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny BIANCO mba hanamafisana ny ezaka hisorohana ny kolikoly amin’ny fifaninanana.
Mankahery ireo namana mpifaninana ary manentana mandrakariva ny rehetra hanana finiavana sy risi-po, hitondra fahombiazana sy fanatsarana tsy an-kiato eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra sahanin’ny tsirairay avy.