Actus

Fametrahana ny masoivoho na ny « Représentation Locale APMF » ao Sainte-Marie

14 juil 2022

Ho fanamafisana hatrany ny aro loza amin’ny fitaterana an-dranomasina manodidina an’Antanambe sy Manompana, Faritra Analanjirofo, dia nametraka ny masoivoho na ny « Représentation Locale APMF » androany 13 jolay 2022 ny Talem-paritry ny APMF ao Sainte-Marie, izay miandraikitra iny faritra iny.

Izany no tontosa dia nohon’ny firaha-miasa misy eo amin’ireo tomponandraikitra sy manampahefana isanambaratongany rehetra ao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’Antanambe sy ny APMF.

Nitohy avy hatrany tamin’ny fitsirihana ireo sambo nandalo ny asa tany an-toerana.