Album

π…πˆπ“π’πˆπƒπˆπ‡π€ππ€ ππ€π“π€πŽπβ€™π€ππƒπ‘πˆπ€πŒπ€π“πŽπ€ πŒπˆππˆπ’πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€π“π„π‘π€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒπ€ππ“π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 π“πŽπ„π“π‘π€ππƒπ‘πŽ 𝐍𝐘 π’π„π‘π€ππ€ππ“π’π€πŒππŽπβ€™πˆ ππŽπ’π˜-𝐁𝐄

10 mar 2023
Nandray an'Andriamatoa Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro tamin’ny fandalovany tany Nosy-Be ny Fitaleavam-paritry ny APMF any an-toerana.

Fitsidihana ifotony nahafahana nifampitafa momba ny anjara asan’ny APMF sy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina sy ny seran-tsambo toa ny Polisim-pirenena, ny Β« UnitΓ© de contrΓ΄le en mer AKIO Β», ny Tafika an-dranomasina, ny orinasa SAMM ; ary ny fanatsarana ny fitaterana an-dranomasina amin’ny ankapobeny.

Tsy diso anjara tamin’izany ny fijerena mivantana ireo fotodrafitrasa misy eo amin’ny seranana.