Actus

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐎𝐑𝐘 𝐋𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀

22 fév 2023

Ny 13 ka hatramin’ny 18 febroary 2023 lasa teo no nontanterahina tao Morondava ny fampiofanana ny andiany faharoa amin’ireo mpanamory lakana madinika, na « skippers », any an-toerana.

Miisa 60 ireo nahavita izany an-tsakany sy an-davany ka nahazo ny taratasy fanamarihana. Ny 20 voalohany tamin’izy ireo no nisitraka salotraina fanampiny.

Nialoha ity lanonana famoahana ny « Andiany MAHALOMBA » ity dia nisy hatrany ny fanentanana momba ny aro loza amin’ny fitaterana an-dranomasina. Nanome voninahitra ny fotoana ireo manam-pahefana any ifotony ary maro ireo mpisehatra namaly ny antso nihatrika izany.