Video

Andron'ny Tantsambo 2020, teny avy amin'Andriamatoa Minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany sy ny famantarana ny toetr'andro

25 juin 2020

Toa ny isan-taona, dia ankalazaina androany faha 25 jiona ny « Andron’ny tantsambo ». Folo taona anio no nankalazana izany andro izany manerana ireo firenena mikambana eo anivon’ny « Organisation Maritime Internationale » (OMI), mba hanomezana fankasitrahana manokana ny tantsambo sy ny asa an-tsambo.

 

Tao anatin’ny volana maromaro niatrehana ny ady amin’ny covid-19 izay, dia voasongadina tsy nahy ny maha zava-dehibe ny tantsambo. Ny fanatanterahan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny fitaterana an-dranomasina no mahatonga ny ankamaroan’ny entana ilaina andavanandro hanenika izao tontolo izao. Na sakafo izany, na fanafody, na kojakoja isan-karazany, indrindra indrindra ny fitaovam-pitsaboana sy ny maro hafa koa, dia hita taratra fa mampihodina ny fiainan’ny firenena maneran-tany ny tantsambo. Nosafidina noho izany ny lohahevitra hoe : « Mpanatanteraka mivantana ny any amin'ny covid-19 ny tantsambo, ary fanalahidy ho an’ny fiainana mihitsy aza izy ireo ».

 

Ho anareo namana tantsambo malagasy manokana.
Ny APMF, ny Ministeran’ny fitaterana, ny fizahan-tany sy ny famantarana ny toetr’andro, ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny CCO sy ireo rantsany any amin’ny Faritra, ireo «Sociétés de manning» sy tompon-tsambo dia mikaon-doha andro aman’alina, mitady vahaolana hahafahana manolo ireo mpiasa an-tsambo malagasy tavela any an-dranomasina sy mampody aty Madagasikara ireo miandry izany.

 

Efa misy ny lamina mipetraka hahafahana manolo ireo mpiasa amin’ny sambo mpanjono lehibe afaka manatona ny faritry ny seranana azo antoka eto Madagasikara. Afaka manao fangatahana amin’ny APMF ny mpampiasa voakasik’izany.

 

Tsy ho ela dia ho azo atao ny hanolo ireo tantsambo malagasy miasa any anaty sambo any andafin’ny riaka sy ny hampody an-tanindrazana ireo izay mihiboka any ivelany.

 

Mankahery anareo izahay, ary manentana ny Malagasy rehetra mba hanohana sy hankasitraka ny tantsambo ka hahafahan’izy ireo manatontosa araka ny tokony ho izy ny andraikitra lehibe iantsorohany, izay mampandroso andro aman’alina ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany.

 

Misaotra anareo ry tantsambo!