Video

Andro iraisam-pirenena ho an'ny ranomasina 2020, teny avy amin'Andriamatoa Minisitry ny fitaterana

30 sep 2020

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ankalazaina androany 24 septambra 2020 ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina (JMM), izay iombonan’ireo firenena eo anivon’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina (OMI).

Ny lohahevitra notsongain’ny OMI dia : « Fitaterana an-dranomasina maharitra ho tombontsoan’izao tontolo izao lovain-jafy », na « Des transports maritimes durables au service d’une planète durable ». Ny zava-kinendry amin’izany dia :

  • ny hampahalalana be be kokoa ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra
    lovain-jafy nofaritan’ny Firenena Mikambana (ONU) ; sy
  • ny fanasongadinana ireo dingana sy ezaka ataon’ny OMI sy ireo firenena rehetra mikambana ao aminy hahatratrarana ireo tanjona ireo.

Manamarika ny fiatombohan’ny folo taona manaraka hanatanterahana asa sy handrandraina vokatra ny taona 2020. Saro-pady tokoa izany, tsy ho an’ny sehatry ny fitanterana an-dranomasina ihany, fa ho an’ny fiainana maneran-tany mihitsy.

Raha mijery ireo ezaka sy fandrindrana ataon’ny OMI isika dia mahatsapa fa efa niroso tsikelikely amin’ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina. Ny OMI dia efa naka fanampahankevitra ary tsy hitsahatra ny handray fepetra mba :

  • hampihenana ny fielezan’ny entona mampitombo ny hafanan’ny tany (gaz à effet de serre) avoakan’ireo sambo ;
  • hampihenana ny tahan’ny sofra ao anatin’ny akora fandrehitra amin’ny milin’ny sambo ;
  • hampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fampiasana ny rano ampidirina sy avoaka ny sambo ka tsy hampivarina azy (eau de ballast) ;
  • hiarovana ireo faritra any amin’ny tendron-tany ;
  • hampihenana ny habetsahan’ireo fako miraraka any an-dranomasina ;
  • hanatsarana ny fitaterana an-dranomasina amin’ny alalan’ny fampiasana ny fifandraisan-davitra hifampizarana tahirin-kevitra ;
  • hisedrana ny fanatontoloana ny fampiasana ny teknolojia vaovao ; ary
  • hampandray andraikitra be be kokoa hatrany ny vehivavy amin’ny sehatry
    ny ranomasina.

I Madagasikara manokana dia tsy mikely soroka, ary efa ela no naira-nisalahy tamin’ny OMI sy ireo firenena hafa, amin’ny fampiharana miandalana ireo fepetra voatanisa teo aloha ireo. Ny Fitondrampanjakana dia maniraka ny Ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro sy ny APMF manokana, tsy hitsahatra ny hitondra ireo fanatsarana ilaina amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina, mba hahafahany hamorona asa mendrika, ho azo antoka, sy hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra lovain-jafy amin’ny alalan’ny vokatra tsara sy azo tsapain-tanana entiny eo amin’ny toekaren’ny firenena. Tsy ho vitanay irery anefa izany. Mila ny fanohanana sy ny fiarahamientana avy amin’ny mpisehatra rehetra ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara. Manantena sy matoky ny fifanomezan-tanana ataon’ny tsirairay izahay.

Toa ny vary sy rano, dia tsy afa-misaraka ny ranomasina sy ny tantsambo roa tapitrisa eo ho eo manerantany, izay ahitana ny teratany malagasy manodidina ny 8000. Nampibaribary ny fahaiza-manao sy ny fitiavan’ireo tantsambo miasa amin’ny sambom-barotra maneran-tany ny asany ny valan’aretina covid-19. Ny fitaterana an-dranomasina dia tsy nitsahatra namatsy ny valopolo isan-jato mahery amin’ireo entana ilaina amin’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany. Singanina manokana amin’izany ny fanafody sy ny fitaovam-pitsaboana izay iankinan’ny aina, ny sakafo sy ireo kojakoja rehetra ilaina andavanandro iatrehana sy andresena ny valan’aretina. Aman’hetsiny ireo olona misedra olana satria tavela any an-dranomasina, na tsy afaka niala ny sambo iasany ka voatery manohy ny asany mandritra ny volana maro. Tsy maintsy itadiavan’ireo Fitondrampanjakana maneran-tany vahaolana haingana izany, ary tokony ho tsapan’izy ireo fa iakinan’ny fiainan’izao tontolo izao ny tantsambo, ka handray andraikitra izy ireo hahafahana manolo an-tsakany sy an-davany ireo mpiasa an-tsambo.

Izany indrindra no nahatonga ny OMI nisafidy ny lohahevitra hoe « Ny tantsambo dia mpiara-miasa iankinan’ny fiainana fototra » tamin’ny fankalazana ny Andro natokana ho an’ny tantsambo (JGM) ny 25 jona 2020.

Izay no lava, izay no fohy, fa amin’izao androm-pankalazana izao dia mamerina indray ny arahaba ho anareo tantsambo malagasy rehetra ny tenako. Manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny fandavantena sy ny filofosanareo andro aman’alina.

Miarahaba anareo namana hafa mpisehatra amin’ny fitaterana an-dranomasina ihany koa. Misaotra sy mankasitraka ireo anjara biriky entinareo mba hampandrosoana ity sehatr’asa iaraha-manana ity. 

Mankasitraka tompokolahy, mankatelina tompokovavy.

Mirary soa ho antsika rehetra Tompoko!