Revue de presse
Tontolo an-dranomasina: Nankalazaina tany Toliara
Manankarena eo amin’ny ranomasina i Madagasikara amin’ny maha-Nosy azy. Sehatra iray miantoka ny fampandrosoana ara-toe-karena eto Madagasikara ihany koa ny fitaterana an-dranomasina. Nankalazaina nandritra ny telo andro, ny 31 aogositra ka hatramin’ny 02 septambra tany Toliara ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina sy ny andro maneran-tany ho an’ireo mpisehatra an-dranomasina, izay niarahana tamin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy andranomamy, na ny APMF. Tamin’ny alalan’ny filaharam-be nitety tanàna sy fampirantiana samihafa no nanamarihana izany. Tao anatin’izany ihany koa anefa ireo lalao ara-panatanjahantena sy seho an-tsehatra niarahana tamin’ny mpanakanto maro teny amin’ny « Jardin de la Mer ».
Tafiditra tao anatin’ny hetsika ihany koa anefa ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny asa an-dranomasina na ny OMI izay niainga tamin’ny lohahevitra, « ny fanatsarana ny fomba fiainan’ny tantsambo » sy ny « mba ho fitaterana an-dranomasina lavorary sy tsaratsara kokoa ho lovan’ny taranaka ».
Nanamarika ity fankalazana tany Toliara ity ihany koa ny famelabelarana nentin’ireo mpitantana ao amin’ny APMF niainga tamin’ny foto-kevitra maromaro toa « ireo fotodrafitrasa ho an’ny seranana », « OMI 70: ny lovantsika, fitantarana an-dranomasina mendrika ho an’ny ho avy ».
Nandritra ireo hetsika ireo ihany koa no nitokanan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny biraom-paritry ny fitaterana any amin’ny faritra Atsimo-Andrefana izay notronin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ralava Beboarimisa.
Ankoatra ny fialamboly samihafa, dia sehatra iray nampitana ireo tsara ho fantatra momba ny tontolon’ny APMF sy ny tontolo an-dranomasina tamin’ny alalan’ny lalao ny fankalazana, ka nanolorana loka ho an’ireo nahavaly izany. Toa izany koa ny fifaninanana lakana.
Anisan’ny andraikitry ny APMF ny fitandroana ny fifamoivoizana an-dranomasina, ka nisy ihany koa ny fampiofanana ireo tantsambo sy ny fampianarana, izay fitandremana tokony hatao rehefa miandriaka. Nisy ihany koa ny fanolorana akanjo avotr’aina ho azy ireo.
Miarantsoa