Revue de presse
LALANA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA AN-DRANOMASINA Hampifanarahina kokoa amin’ny toetrandro sy ny zava-misy…
Nanangona sy sary : Faly Lalaina
Ao anatin’ny ezaka atao fanatsarana ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina sy ho fampiharana ireo adidy dia sy andraikitra tsy maintsy tanterahana takian’ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fifamoivoizana an-dranomasina nofaritan’ny Omi (Organisation Maritime Internationale) ka nidiran’i Madagasikara, dia miara-manatanteraka atrikasam-pirenena iray, ao amin’ny Hotely Sakamanga, Isoraka, amin’izao fotoana izao ny ministeran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny toetrandro, ny Apmf (Agence Portuaire Maritime et fluviale) ary ny Omi. Ny alatsinainy teo no nanomboka izany atrikasa izany izay tsy hifarana raha tsy ny zoma ho avy izao.
Raha fintinina ny antom-pisian’ity atrikasa ity dia ny hampahafantarana an’ireo mpahay Lalàna malagasy voakasika amin’ny fampanarahana amin’ny toetrandro ny Lalàna malagasy mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina ireo foto-kevi-dehibe voarakitra ao amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena neken’ny firenentsika hidirana ary ny fomba hampidirana azy ireny ao anatin’ny lalàna manan-kery eto amintsika. Mazava ho azy fa ny ao ambadik’izay dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpahay Lalana malagasy misehatra eo amin’ity resaka fifamoivoizana an-dranomasina ity.
Araka ny filazan’ireo tomponandraikitra dia tonga amin’ny fotoana ilàna azy tokoa ity atrikasa. Eo am-panavaozana tanteraka ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina tokoa mantsy ny firenena malagasy amin’izao fotoana izao. Izany no natao dia noho ny fahatsapàna fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny intsony ny andalana maro ao amin’ny Lalàna manan-kery eto amintsika amin’io sehatra io, Lalàna izay tany amin’ny taona 2000 no nanavaozana azy farany, hany ka tsy ahafahantsika mihetsika na mandray ny fepetra sahaza izany isika raha sendra misy tranga tsy voafaritra ao anatiny miseho any an-dranomasina any. Hanampy betsaka an’ireo manam-pahaizana malagasy amin’ny famolavolàna an’ity Fehezan-dalàna vaovao hifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina ity, izay efa natomboka tany amin’ny 2014, araka izany ny fandalinana ireo lohahevitra maro isan-karazany dinihina ao amin’ity atrikasa ity.
Ankoatra ny ministeran’ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetrandro sy ny Apmf dia mandray anjara ao amin’ity atrikasa ity avokoa ny mpahay Lalàna avy amin’ireo ministera sy rafitra isan-karazany manana andraikitra eo amin’ny famolavolana an’ity Lalàna vaovao hifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina ity sy voakasika amin’ny fampiharana an’izany Lalàna vaovao izany izay mety hatolotra ho lanian’ny Parlemanta amin’ny fotoam-pivoriany manaraka.