Revue de presse

Festival des Baleines 2018: Niantoka ny aroloza ny APMF

19 Juillet 2018
TRIATRA

« Festival nieren-doza ». Io no tanjon’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale eto Madagasikara na ny APMF nandritra ny « Festival des Baleines 2018 », andiany fahefatra, nokarakarain’ny fikambanam-behivavy « Drôle de Dame », izay nizotra tany amin’ny nosy Sainte-Marie, ny 12 – 15 jolay teo. Nisy ny fifaninanana sy fanentanana maro nandritra izany, toa ny hazakazaka, ny beach soccer, ny hazakazaka am-bisikileta ary ny fifaninanana mamily lakana sy ara-kolontsaina.

Araka izany, manana anjara toerana lehibe amin’ny aroloza amin’ny fifamoivoizana anaty rano sy an-dranomasina ny APMF, izay notarihin’ny lehibeny, ny komandà Jean-Charles Randrianasolo, misahana ny birao fanaraha-maso sy ny fanadihadiana. Noho izany indrindra, izy ireo no miantoka ny fiarovana an-dranomasina tamin’izany, ary nametraka ny paikady amin’ny tsy hisian’ny loza na ny « zéro accident »nandritra iny “Festival des Baleines” andiany fahefatra iny. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra mialoha ny hetsika, toa ny mpitondra fanjakana eo an-toerana, ny mpanamory sambo, ny mpikarakara, sns amin’ny fametrahana ny fepetra rehetra.

Raha ny nambaran’ny komandà Jean-Charles Randrianasolo dia nilamina tanteraka sy nieren-doza ny hetsika tamin’ity taona ity. Mizara ho roa ny asa nandritra ny hetsika, raha ny voalaza, dia ny fanamafisana ny fiarovana ny fifamoivoizana anaty rano sy ny fanavotana sy fikarohana. Ho fanatsarana izany, hoy hatrany izy, ny famantarana ny toetr’andro amin’ny ahafahan’ny sambo mandeha na tsia. Eo ihany koa ny fanaraha-maso ny onja satria raha vao mihoatra ny 2 metatra ny haavony, avy hatrany dia tsy mandray ny fiaingana ihany koa ny sambo ary ny fijerena ny toetoetry ny lakandranon’i Sainte-Marie mihazo an’i Mahambo sy Soanierana Ivongo. Manampy izany ny fanaraha-maso ny mombamomba ny sambo, toa ny « radar », ny « radio de sauvetage », ny « gilet de sauvetage », sns. Misy, araka izany, ny sambo manokana ampisain’ny APMF ho amin’ny fanavotana sy fanaraha-maso. « Rehefa mitranga ny loza, avy hatrany, dia ny olona no havotana voalohany mba tsy hisian’ny famoizan’aina… », hoy ny komanda Jean-Charles Randrianasolo.

Ankoatra izay, ny Festival hoy izy, no nifarana fa mbola azo atao tsara ny mijery ireo trozona hatramin’ny faran’ny volana septambra.
Marihina mantsy fa anisan’ny hetsika mahasarika mpizahantany vahiny eto Madagasikara ny tany avy any ivelany ihany anefa no liana fa ireo eto an-toerana ihany koa, indrindra ho an’ireo mpianatra.

MN