Album

Misokatra amin'ny fomba ofisialy ny fanazara-tena nasionaly SAREX BOENY 2020

07 déc 2020
Ny fanazara-tena dia hahafahana manatsara ny fahaiza-manao sy manamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpandray anjara mivantana amin'ny asa fikarohana sy famonjena aina raha misy ny loza an-dranomasina.
Andraikitry ny firenena rahateo ny manao izany in-dray mandeha isan-taona fara-faharatsiny mba hisedrana ny drafitra nasionaly SAR.
Ny tanjona dia ny hanana antoka hatrany amin'ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara ka hampiroborobo ny sehatr'asa mivantana sy ireo sehatr'asa maro miankina aminy.