Album

Hetsika fanentanana hitandremana mba hahatsara ny aro loza amin'ny fitaterana an-dranomasina amin'ny faritra Analanjirofo

27 juil 2022
Mitohy hatrany ny hetsika fanentanana hitandremana mba hahatsara ny aro loza amin'ny fitaterana an-dranomasina amin'ny faritra Analanjirofo. Manatanteraka iraka eto Maroantsetra ny Fitaleavam-paritra ny APMF miaraka amin'ny Détachement Marine Sainte Marie.

Nisy ny fitsidihana ireo manampahefana isan-tsokajiny, nitohy avy hatrany tamin'ny fitsirihana ireo sambo niantsona teo amin'ny seranan-tsambo ny asa.

Marihina fa ao anatin'ny fotoam-piotazana lavanila isika izao ka mihamaro ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy amin'iny faritra iny.