Album

FIVORIANA FANOMANANA NY FANAZARANTENA NASIONALY AMIN’NY ASA FIKAROHANA SY FANAVOTANA AINA AN-DRANOMASINA TAONA 2020

18 nov 2020
Ho fanatsarana ireo asa fikarohana sy fanavotana aina an-dranomasina eto Madagasikara, amin’ny maha mpandrindra izany asa izany azy, ny APMF dia nikarakara fihaonana anio zomà 13 novambra 2020 niarahana tamin’ireo mpandray anjara hafa amin’ny hetsika SAR mba hidinika momba ny hanaovana fanazarantena nasionaly any Mahajanga ny 26 sy 27 novambra ho avy izao.
Ny fanazarantena nasionaly SAR dia miompana amin’ny fihatrehana tranga an-dranomasina izay efa voafaritra mialoha. Izany dia ahafahana, amin’ny lafiny iray, manazatra ireo mpiantsehatra amin’ny tokony hataony tsirairay avy, ary amin’ny lafiny hafa kosa, misedra sy manatsara ny laminasa fampihatra.
Ny fanamafisana ny fandraisananjaran’ireo tomponandraikitra rehetra voakasiky ny asa SAR amin’ity fanazarantena ity no nampiavaka manokana io fivoriana io. Mahavelom-bolo izany amin’ny hiroboroboan’ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara satria ny fanatanterahina an-tsakany sy an-davany ny karazana fanazarantena toa izao dia porofo manamarina ny fahafahan’ny firenena miandraikitra feno ny faritra SAR midadasika roa tapitrisa kilometra tora-droa miankina aminy.
--------------------------------------------
REUNION DE PREPARATION DE L’EXERCICE NATIONAL DE RECHERCHE ET SAUVETAGE (SAR) MARITIMES DE L’ANNEE 2020
Dans le cadre de l'optimisation des activités de « Recherche et Sauvetage en Mer » à Madagascar, de par son rôle de coordinateur de ces activités, l’APMF a organisé ce vendredi 13 novembre 2020 une rencontre avec les autres acteurs impliqués dans les opérations SAR pour discuter de la réalisation d’un exercice national à Mahajanga les 26 et 27 novembre prochains.
Un exercice national SAR consiste au traitement d’un cas concret d’événements en mer suivant un scénario fixé par avance. Il permet, d’une part, la familiarisation des acteurs à leurs interventions respectives, et d’autre part, l’évaluation et l’amélioration de la procédure en vigueur.
La confirmation de la participation de tous les acteurs concernés à cet exercice a particulièrement marqué cette réunion. Ce qui est enthousiasmant pour le développement des transports maritimes à Madagascar car l’accomplissement de tel entrainement dans la règle de l’art confirme la bonne aptitude du pays à s’occuper de la vaste zone SAR de deux millions de kilomètres-carrés dont il est en charge.
#SAR_APMF