Album

Fitsidihana Manakara

27 avr 2022
Mitohy hatrany ny fitsidihana izay ataon’ny delegasionin’ny APMF Foibe any amin’ny ilany atsimo antsinanan’ny Nosy. Omaly 26 aprily 2022 dia nihaona tamin’ireo manampahefana sy tomponandraikitra mpiara-miasa amin’ny APMF tao Manakara izy ireo.

Ny fihaonana dia niopana tamin’ny fampahafantarana ny asa sy ny andraikitra iantsorohan’ny APMF mba hanatsarana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, entina manohana ny fampiroboroboana ny ara-toekarena ny tanànan’i Manakara sy ny manodidina.

Tanjona iray lehibe amin’izany ny famerenana tsikelikely ny fisokafan’ny seranan-tsambon’ny Manakara, manomboka ny volana novambra 2022.