Album

FITATERANA AN-DRANOMASINA SY AN-DRANOMAMY
« IEREN-DOZA » SY « AZO ANTOKA »

18 nov 2020
Tanjona iray ilofosan’ny APMF sy ny MTTM manokana ny hiainantsika eto Madagasikara fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy ieren-doza sy azo antoka. Mahazatra ny APMF ny mampahafantatra sy manao fanentanana ifotony momba izany rehefa misy ny fanofanana mpanamory lakana madinika mandeha motera ataony.
Tsy latsa-danja araka izany ny notontosaina tao amin’ny Port Fluvial Manangareza, Toamasina, ny alakamisy 29 oktobra 2020.
Resahina mandritra izany hetsika izany :
(1) ireo trangan–doza vitsivitsy izay anasongadinana ny fototry ny loza sy ireo lesona noraisina taminy ;
(2) ireo andraikitra sahanin’ ny tsirairay araka ny lalàna velona, ny rindran- damina misy sy ny fomba fanao ;
(3) ireo fitaovana mandrafitran’ ny aro loza ; ary
(4) ireo paikady sy hetsika tanterahin’ny APMF hisorohana ny loza.
Zava-dehibe ihany koa ireo fanontaniana sy tolokevitra avy amin’ny mpandray anjara izay hahafahan’ny APMF mitondra fanazavana fanampiny mameno ny fampahafantarana sy ny fanentanana.
Manantitra mandrakariva ny fisaorana ny mpanohana rehetra. Singanina manokana ireo nandray anjara mivantana sy ireo vahiny manan-kaja isan’ambaratongany nanome voninahitra ireny fotoana ireny.