Nandray anjara tamin'ny fanokafana ny taona fambolenkazo 2020 ny alahady 19 janoary teo ihany koa ny Direction Regionale APMF Antsiranana. Izany dia natao tao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i SAKARAMY, Distrikan'Antsiranana faha-II, niarahana tamin'ireo sampandraharahan'ireo Ministera, ireo Orin'asa, ireo ONG, ireo Fokonolona ary ireo Fikambanana samihafa any amin'ny Faritra DIANA.
HAMBOLY HAZO AHO HO AN'NY TARANAKO: Madagasikara rakotra ala no tanjona.