Album

FANILON-DRANOMASINA ENY AMIN’NY NOSY ALAGNAGNA - PHARE DE L’ILE AUX PRUNES

08 déc 2020
FANILON-DRANOMASINA ENY AMIN’NY NOSY ALAGNAGNA
Andriamatoa Minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany sy ny famantarana ny toetrandro dia nijery ifotony ny fanilon-dranomasina eny amin’ny Nosy Alagnagna ny alahady 06 desambra 2020. Io jiro io, izay mirefy 60 metatra, no avo indrindra aty Afrika. Amin’izao fotoana izao moa dia misy ny tetikasa hanavaozana azy io.
Ny Nosy Alagnagna dia nosy malagasy ao amin’ny Oseana Indiana ao avaratra antsinanan’ny Toamasina. Io nosy io dia any amin’ny 17 kilometatra miala amin’ny Seranan-tsambon’ny Toamasina, 45 minitra raha handehanana an-tsambo. Izy io dia tany kely somary boribory mirefy 2 kilometra ny halavany ary 400 metatra ny sakany.
-------------------------------------------------------------------------
PHARE DE L’ILE AUX PRUNES
Monsieur le Ministre des Transports, du Tourisme et de la Météorologie a visité le phare de l’Ile aux prunes le dimanche 06 décembre 2020. Ce phare, haut de 60 mètres, est le plus haut d’Afrique. Il est actuellement en projet de réhabilitation.
L’Ile aux prunes est une île malgache de l’Océan Indien qui se trouve au nord-est de Toamasina. Elle est située à 17 kilomètres du Port de Toamasina, à 45 minutes du port pour une traversée en bateau. C’est une petite terre de forme ovale de 2 kilomètres de long et de 400 mètres de large.