Actus

π…π€ππŽπ…π€ππ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ πŒππ€ππ€πŒπŽπ‘π˜ π‹π€πŠπ€ππ€ πŒπ€πƒπˆππˆπŠπ€ πŒπˆπ’π„π‡π€π“π‘π€ π€πŒπˆπ'𝐍𝐘 π‘π€ππŽπŒπ€πŒπ˜ π“π€πŽ π€πŒπˆπ'𝐍𝐘 πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π'𝐀𝐍𝐓𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀

22 mar 2023

Fiofanana andiany fahadimy nomena ireo mpitondra lakana madinika misy motera misehatra amin'ny ranomamy ao aminy distrikan'Antalaha no natao ny 14 ka hatramin'ny 19 martsa 2023.

Nampahafantarina azy ireo ireo lalΓ na mifehy ny fifamoivoizana an-dranomamy sy ny fifehezana ny aro-loza.

Miisa 45 ireo mpiofana nihatrika hatramin'ny farany ka notolorana ny taratasy fanamarinana hahafahana mikarakara ny "Carte skipper fluvial".

Natao izao hetsika izao mba hampiroborobona ny fitaterana an-dranomamy ieren-doza.