Actus

HETSIKA « ZERO ACCIDENT MARITIME » MANDRITRA NY DONIA 2022

31 mai 2022

Ho fisorohana ny loza amin’izao akatoky ny fetin’ny Pentekosta izao dia manamafy ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana ny fidirana sy ny fivoahana ny seranan-tsambo ao Nosy-Be sy Ankify ary ny manodidina ny ekipan’ny APMF.

Ny hetsika ara-kolotsaina toa ny “Donia” dia azo antoka fa hampitombo betsaka ny fivezivezena an-dranomasina any amin’iny faritra iny. Nosy-Be rahateo dia toerana mahasarika manokana ireo mpizahantany malagasy sy vahiny.

Nanombohana ny hetsika ny fihaonana niarahan’ny APMF tamin’ireo manampahefana sy tomponandraikitra isan-tsokajiny ary mpiantsehatra, indrindra fa ireo tompon-tsambo sy mpanamory, hanatsarana ny fiomanana sy ho fanentanana ny rehetra mba hanatratrarana ny tanjona iombonana napetraka, izay natao ny alatsinainy 30 mey 2022.

Araka izany dia entanina ihany koa ny mpandeha mba hanaraka ny toromarika sy ny fandaminana, ary ho sarotiny amin’ny fitakiana ny salotraina ho fiarovan-tena.

Tsy hijanona ao Nosy-Be ihany ny hetsika « zéro accident maritime » mandritra ny fetin’ny faran’ny herinandro.

« ???????????????????????????????????????? ????????-???????????????????????????????????????????? ???????? ????????-???????????????????????????????????? ????????????????????-????????????????, ???????????????????? ???????????????????????????? ???????? ????????????????????’????????????????????. »