Actus

dg APMF ENEM 2019

HAFATRA HO AN’IREO MPIANATRA HO MANAMBONINAHITRA TANTSAMBO NAVOAKAN’ NY ENEM MAHAJANGA AVY ATY AMIN’NY TALE JENERALIN’NY APMF NY 18 JOLAY 2019

25 juil 2019

Andriamatoa misolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany, ary ny Famantarana ny Toetr’andro,

Andriamatoa misolo tena ny Lehiben’ny Faritra Boeny sy ny mpiara-miasa aminy,

Andriamatoa misolo tena ny Ben’ny tananan’i Mahajanga Voalohany sy ny mpiara-miasa aminy,

Andriamatoa Tale mpisolo toerana ato amin’ny Ecole Nationale d’Enseignement Maritime (ENEM).

Ianareo mpampianatra ato amin’ny ENEM Mahajanga

Ianareo Tompon’andraikitra ambony sivily sy miaramila manatrika etoana,

Ianareo mpiara-miasa, ianareo mpianatra omban’ny fianakaviana, tapaka sy namana rehetra manatrika izao lanonana izao,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny voalohan-teny dia ny fisaorana an’Andriamanitra amin’ny nahatafavory antsika ary dia miarahaba antsika rehetra samy salama mifanatri-maso eto.

Tafavory eto tokoa isika androany, miatrika ny famoahana amin’ny fomba ofisialy, tao aorian’ny fianaran’ireto “mpianatra ho mamboninahitra tantsambo” ireto, izay noraisina tato amin’ny sekoly ka hanatevin-daharana ireo efa amperin’asa.

Misokajy roa ireto andiany mivoaka ireto.

Ny Elèves Officiers de Quart Pont (EOQP): Nianatra ho manamboninahitra ho afaka hiasa amin’ireo karazan-tsambo rehetra na toa inona na toa inona ny habeny sy karazany, na amin’ny fari-dranomasina aiza na aiza no hiasany, afa-tsy ny any amin’ny tendro bolantany avaratra na atsimo (navigation polaire).

Ny Elèves Capitaines 200 (EC200): Nianatra ho mpitondra sambo madinidinika manana habe tsy mihoatra ny 200 araka ny maridrefy iraisam-pirenena ary manodidina ny nosy ihany kosa no fari-dranomasina hiasany.

Naharitra roa taona ny fianarana ho an’iry voalohany na ny EOQP izany, ary teo amin’ny enim-bolana kosa ho an’ireto EC200.

Izao hatrehantsika ankehitriny izao no famoahana ny andiany voalohany amin’izany sampana Elève Capitaine 200 izany raha ny fianarana taty an-tsekoly (formation académique) teto amin’ny ENEM no resahana. Misy mantsy ireo nanao fiofanana arak’asa avy hatrany ho an’ity fitondrana sambo madinidinika ity.

Mpianatra Malagasy sy mpianatra avy ao amin’ny nosy Comores no niaraka tato anatin’ity andiany voalohany ity. Izany moa dia tafiditra ao amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta manodidina ny sehatry ny ranomasina.

Mbola hanohy ny fianarana arak’asa na stage any ambony sambo izy ireo mandritra ny 12 volana farafahakeliny izay vao handalo fanadinana indray hahazoany ny Brevet. Koa manantena fiaraha-miasa tsara sy matotra avy amintsika rehetra mba hahafahan’izy ireo hahavita izany stage izany.

Marihiko manokana fa mbola misy ny fiofanana fanampiny (stage complémentaires) vitsivitsy izay tsy maintsy mbola hiverenan’izy ireo aty amin’ny sekoly eo antenantenan’izay fotoana hanaovany ny stage eny ambony sambo izay.

Mitodika manokana aminareo mpianatra ho manamboninahitra mivoaka androany ny tenako sy ny APMF izay soloiko tena.

Miarahaba anareo noho ny nahavitanareo antsakany sy andavany ny fianarana teto amin’ny sekoly ny tenako. Manantena vokatra tsara avy aminareo ny firenena. Vokatra mifanaraka amin’ireo tanjona sy votoaton’ny fianarana narahinareo. Tsy mora anefa izany, ka mila ny fahavononanareo hiatrika ny asa miaraka amin’ny setrasetran’ny ranomasina, na ny any ivelany izany na ny manodidina an’I Madagasikara. Mitaky ihany koa izany ny fahaizanareo mifandray sy miara-monina amin’ireo olona manodidina anareo any amin’ny sehatry ny asa, mba ho fitaratra ianareo, ka haharesy lahatra ny olona amin’ny maha tantsambo tsara ofana anareo ka tsy hanondroan’olona molotra ny firenentsika izay soloinareo tena any ivelany any.

Aza hadino fa manomboka eto dia isan’ny mpandray anjara mavitrika ianareo amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro dia ny hoe “Fitaterana ieren-doza”. Aza adino izany na aiza na aiza misy anareo satria sarobidy ny aina.

Ny lakilasy ihany anefa no mifarana eto aloha fa tsy ny fianarana velively.

Mirary soa ho anareo izahay hahaleo hahalasana!

Mampahery ihany koa anefa ireo izay tsy mbola nahatafita ny fianarany ka voatery mbola hamerina fanadinana vitsivitsy ao aoriana kely. Fomban-javatra ihany izany ary tsy tokony hatao mahakivy- Mirary fahombiazana ho anareo izahay.

Eto am-pamaranana ary dia tsy hainay ny tsy hisaotra manokana anareo izay nahatontosa izao fampianarana izao dia ianareo mpampianatra rehetra eto amin’ny ENEM sy ianareo mpandraharaha sy mpitantana isantsokajiny. Isaorana eto ihany koa ianareo talen’ny ENEM teo aloha izay efa isan’ny nitaiza an’ireto andiany ireto

Mankasitraka ihany koa anareo manam-pahefana isan-tokony izay tonga manome voninahitra izao fotoana izao ; ianareo mpiara-miasa sy ianareo tapaka sy namana ary fianakaviana tsy namela anay ho irery fa manatrika am-pitiavana sy am-pifaliana izao lanonana izao.

Mankasitraka tompokolahy, mankatelina tompokovavy!

 

 

APMF – Service Communication et Information