Actus

Fanofanana mpanamory lakana madinika mandeha motera (Skippers)

13 juil 2022

Ny alatsinainy 04 ka hatramin’ny zomà 09 jolay 2022, dia nisy ny fanofanana mpanamory lakana madinika mandeha motera (Skippers) miisa 17. Mpampiasa sambo mivantana sy mpitatitra mpizahantany moa izy ireo.

Marihina fa manan-kery mandritra ny 5 taona ny taratasy maha-mpanamory lakana madinika mandeha motera. Manatona sy manoratra anarana avy hatrany eny anivon’ny masoivohon’ny APMF ireo izay mila ny fiofanana mifanaraka amin’izany. Mandefa mpampiofana any an-toerana ny APMF rehefa mahafeno ny isa farafahakeliny ilaina ireo liana amin’izany.