Actus

Fanofanana ireo mpanamory lakana madinika tao Brickaville

27 juil 2022

Tontosa tao Brickaville tamin’iny herinandro lasa iny, ny 18 ka hatramin’ny 21 jolay 2022 ny fanofanana ireo mpanamory lakana madinika (encadrement professionnel des skippers) miisa 12.

Ampatsiahivina fa ny fanatontosan'i APMF izany fanofanana izany dia miankina amin’ny fahavononan’ny mpiofana izay mila izany ka nanoratra anarana teny anivon’ny masoivohon’ny APMF amin’ny faritra misy azy. Mandefa mpampiofana any an-toerana ny APMF rehefa mahafeno ny isa farafahakeliny ilaina ireo mila izany.