Actus

Vita ny seranan-tsambon’Ankify : 2,8 miliara Ariary ny tetibola lany niantohan’ny APMF
Vita ny seranan-tsambon’Ankify any Ambanja. Antoka iray miahy ny toekarena any an-toerana sy ny toekarena eto Madagasikara amin’ny ankapobeny noho ny toerana misy azy. Mbola betsaka ny fotodrafitrasa toy ireny miandry asa fanarenana, antoka ny fampandrosoana lehibe amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara.
“2,8 miliara Ariary ny tetibola lany tamin’ny fanamboarana ny seranan-tsambon’Ankify. Niantoka izany tanteraka ny APMF”, hoy ny tale jeneraliny, kolonely Zipa Jean Hubert. Nanao ny asa rehetra ny orinasa Colas, izay naharitra teo amin’ny 15 volana. Lafiny teknika maro, araka ny toerana misy azy, napetraka amin’io seranan-tsambo io, anisan’izany ireo tetezana mitsingevana, fanamafisana ny faritra manodidina afaka mandray ireo fiara vaventy mpitatitra entana, toerana fialofan’ny mpandeha ary ny biraon’ny APMF. Mifandray amin’io seranan-tsambo io ny tsena, nasiana tetezana mifandray aminy mivantana.
Manomboka izao, miara-miasa amin’ny APMF amin’ny fiantohana ny fikojakojana io seranan-tsambo io ny mpitantana any an-toerana, ny zandary sy ny polisy manao ny asa tandrify azy. Io ny seranan-tsambo mifampitohy amin’i Nosy Be, ahitana vedety haingam-pandeha ampolony maro sy sambo (bac) mpitondra fiara sy entam-barotra samihafa. Manome fahazoan-dalana manao ny asa fitaterana an-dranomasina sy fanaraha-maso ny lafiny teknika ny APMF. Misy ihany anefa ireo tsy manana izay fahazoan-dalana izay, mangalatra mampita olona, matetika miteraka loza.
Tafiditra ao anatin’ny tetibola 2017 any amin’ny faritra avaratra ihany ny fanarenana ny seranana ao Antsahampano, hatokana ho an’ny fanondranam-bokatra. Tsiahivina fa ny distrikan’Ambanja no misy ny voly kakaô betsaka indrindra sy tsara kalitao, mbola hita any an-toerana koa ireo karazam-bokatra hafa, toy ny kafe, jirofo, voankazo, sns.
R.Mathieu