Actus

Sauvetage Mahanoro

Avotra soamantsara ireo olona 11 izay nitaingina vedette nanaraka ny lakandranon'ny Pangalana tany Mahanoro omaly Alahady 16 Febroary maraina.

17 fév 2020

Avotra soamantsara ireo olona 11 (lehilahy 6, vehivavy 3, ankizy 2) izay nitaingina vedette nanaraka ny lakandranon'ny Pangalana tany Mahanoro, ny alahady 16 febroary maraina, izay nentin’ny rano vokatry ny rotsak’orana betsaka sy ny tafio-drivotra.

Nanomboka ny zoma 14 febroary 2020 nandalovan’ny andro ratsy Francisco teto Madagasikara dia vedettes 2 hafa nifatotra amoron-drano no hita sy notarihin’ny vedette haingam-pandehan’ny APMF tany amin’ny 4km sy 10km miala avy eo Mahanoro.

Hamafisina ny fanentanana ataon’ny APMF mba hitandreman’ny rehetra mampiasa ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy mba hisorohana ny loza amin’izao fotoan’ny andro ratsy izao.

Sauvetage MahanoroSauvetage MahanoroSauvetage MahanoroSauvetage MahanoroSauvetage MahanoroSauvetage Mahanoro

Sauvetage Mahanoro