Album

π…π€ππŽπ…π€ππ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π“πŽπŒππŽππ€ππƒπ‘π€πˆπŠπˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘π€πˆπ’π€πŒππŽπ‹π€π'𝐈 π€ππŒπ… π€ππ˜ π€πŒπˆπ'𝐍𝐘 π…π€π‘πˆπ“π‘π€ (π‘π„Μπ†πˆπ’π’π„π”π‘π’)

04 avr 2023
Ho fanatsarana ny fomba fiasa sy hananana vokatra mifanaraka amin'ny fenitra dia notanterahina ny alatsinainy 20 ka hatramin'ny zoma 24 martsa 2023 teto amin'i APMF Foibe ny fanofanana ireo tomponandraikitry ny frandraisambola.
Niompana tamin'ireto lafiny telo ireto ny fiofanana.

1 - Ny fahalalana mikasika an'i APMF sy ny fitsipi-pitondrantena "etika sy deontolojia" izay niarahana tamin'Andriamatoa Tale Jeneraly.
2 - Ny fampivoarana ny maha olona (dΓ©veloppement personnel) izay niarahana tamin'Andriamatoa Talen'ny sampandraharaha miandraikitra ny mpiasa.
3 - Ny fampahafantarana ireo fomba fiasa sy fitsipika avy amin'ireo sampandraharaha misahana ny fitantanana ara-bola.

Niara-nisalahy tamin'izany ny ekipa avy amin'ny "Agence Comptable" sy ny "Direction des Affaires Financières" ary ny "Direction d'Appui à la Gestion et à la Communication".

Miisa 32 ireo tomponandraikitry ny fandraisambola nandray anjara tamin'ny fiofanana avy tamin'ny fitaleavam-paritra sy ny solotenam-paritry ny APMF.

Tanjon'ny fiofanana ny hanamafisana ny fahaizamanao sy ny hanavaozana ary ny hanatevenana ny traikefa efa ananan'ny mpiofana. Amin'ny lafiny ara-bola dia kendrena manokana ny hampitomboana ny tahan'ny fampidiram-bola.

Nofaranana tamin'ny fizarana ny taratasy fanamarinana na "certificat" moa ny fanofanana. Nosinganina tamin'ny lanonam-pamaranana ny maha zava-dehibe ny fanaraha-maso sy ny tombanezaka na "suivi et Γ©valuation", izay iandraiketan'ny mpampiofana amin'ny fampiharana ny fahalalana vaovao, izay tokony hita taratra amin'ny kalitaon'ny asan'ireo tomponandraikitry ny fandraisambola any ifotony.