Actus

𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍’𝐈 𝐍𝐎𝐒𝐘-𝐁𝐄

10 mar 2023

Nandray an'Andriamatoa Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro tamin’ny fandalovany tany Nosy-Be ny Fitaleavam-paritry ny APMF any an-toerana..

Fitsidihana ifotony nahafahana nifampitafa momba ny anjara asan’ny APMF sy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina sy ny seran-tsambo toa ny Polisim-pirenena, ny « Unité de contrôle en mer AKIO », ny Tafika an-dranomasina, ny orinasa SAMM ; ary ny fanatsarana ny fitaterana an-dranomasina amin’ny ankapobeny. 

Tsy diso anjara tamin’izany ny fijerena mivantana ireo fotodrafitrasa misy eo amin’ny seranana.