Video

Lohahevitra iompanan'ny fandraharahana sy ny fitaterana an-dranomasina manerantany amin'ny taona 2021 - Thème maritime mondial 2021

10 mar 2021

Lohahevitra iompanan'ny fandraharahana sy ny fitaterana an-dranomasina manerantany amin'ny taona 2021 - Thème maritime mondial 2021

Ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny ranomasima (OMI) dia nanapa-kevitra ny hanaovana ny 2021 ho taonan’ny fandraisana andraikitra ho an’ny tantsambo, izay misedra olana maro tsy fahita hatrizay vokatry ny valan’aretina COVID-19. Marihina fa manana anjara toerana goavana, amin’ny maha mpiasa tompon’ny fanalahidy, amin’ny sehatry ny famantsiana entana manera-tany izy ireo.

Ny lohahevitra amin’ity taona 2021 ity, izay hoe « Tantsambo : antoky ny ampitson’ny fitaterana an-dranomasina », dia mikendry ny hampitomboana ny fahafantaran’ny olona ny tantsambo amin’ny alalalan’ny fanasongadinana ny anjara asa tsy voavinavinan’ny saina sahanin’izy ireo ankehitriny sy mbola hiantsorohany amin’ny ho avy.

Ity hafatra ity izay mifototra amin’ny tantsambo dia isarihana ny saina amin’izao vanim-potoana izao izay niterahan’ny valan’aretina COVID-19 olana tsy manam-paharoa ho an’ny tantsambo, ka mahatonga lehilahy sy vehivavy tantsambo an’hetsiny maro tsy tafody mandritra ny volana maro, ao aorian’ny fotoana voafetran’ny fifanarahana arak’asa an’izy ireo, satria izy ireo dia voasakana vokatry ny famerana ny fivezivezena sy fanakatonana sisin-tany ataon’ny firenena isan-tokony. An’hetsiny maro toa izany koa ireo tantsambo izay tsy afaka miantsambo hanatanteraka ny asan’izy ireo. Izany olan’ny fanovana ny mpiasa an-tsambo izany, izay efa naharitra mihoatra ny taona iray ankehitriny, dia miendrika hamehana amin’ny lafiny mahaolona ary manohintohina ny filaminan’ny fitaterena an-dranomasina.

Mandritra ny taona, ny lohahevitra nosafidiana dia hanindry ihany koa ireo lafiny hafa mikasika ny olombelona ao anatin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina, singanina amin’izany ny fitandroana ny filaminana sy ny aroloza eny ambony sambo, ny fanatsarana ny fiainan’ny tantsambo sy ny toerana hiasany, ny maha zava-dehibe ny fananana antoka amin’ny fampiasana tantsambo voahofana araka ny tokony ho izy sy voamarina arak’asa, ka vonona hiatrika sy hisitraka ny fivoarana takian’ny fampiasana ny kajy mirindra sy ny milina mahaleo tena.

Mifanaraka amin’izany fijery izany, ny Sekretera Jeneralin’ny OMI, Andriamatoa Kitack Lim, dia nampita ity hafatra manaraka ity. Tamin’io fotoana io ihany koa ny tenany dia nanambara fa tokony hitombo isa ireo fitondram-panjakana mandray andraikitra mba hanafoanana ny olana mikasika ny fanoloana sy ny fivezivezen’ireo mpiasa an-tsambo.

????????????̀???????? ???????????????????????????????? ???????????????????????????? ???????? 2021

L'OMI a décidé de faire de 2021 une année d'action pour les gens de mer, que la pandémie de COVID-19 place devant des difficultés sans précédent malgré leur rôle essentiel, en tant que travailleurs clés, pour les chaînes d'approvisionnement mondiales.

Le thème maritime mondial de 2021, « Gens de mer : au cœur des transports maritimes de demain » vise à accroître la visibilité des gens de mer en soulignant le rôle inestimable qu'ils jouent aujourd'hui et continueront de jouer à l'avenir.

Ce message centré sur les gens de mer intervient au moment où la pandémie de COVID-19 a entraîné des difficultés exceptionnelles pour les gens de mer, laissant des centaines de milliers d'hommes et de femmes bloqués à bord de navires pendant des mois, bien au-delà de la fin de leur contrat initial, et dans l'incapacité d'être rapatriés en raison des restrictions nationales limitant les déplacements. Un nombre similaire de gens de mer se trouve dans l'incapacité de rejoindre les navires pour y travailler. Cette crise des relèves d'équipages, qui dure depuis près d'un an, représente une urgence humanitaire qui menace la sécurité des transports maritimes.

Tout au long de l'année, le thème maritime mondial mettra également l'accent sur d'autres enjeux liés à l'élément humain des transports maritimes, notamment la sûreté et la sécurité à bord des navires, le bien-être des gens de mer et l'importance de garantir une main-d'œuvre adéquatement formée et qualifiée, prête à relever les défis et à saisir les opportunités de la numérisation et de l'automatisation.

Dans cette optique, le Secrétaire général de l'OMI, Kitack Lim, a diffusé le message ci-joint. Par la même occasion, il a déclaré que davantage de gouvernements doivent agir pour mettre fin à la crise des relèves d'équipages.