Album

Hafatra telo no nampitain’Andriamatoa Tale Jeneraly ny alatsinainy 4 janoary raha nanomboka ny taom-piasana 2021 ny APMF Foibe

06 jan 2021
Hafatra telo no nampitain’Andriamatoa Tale Jeneraly ny alatsinainy 4 janoary raha nanomboka ny taom-piasana 2021 ny APMF Foibe :
1. hanatanteraka tetikasa maro ny APMF hanarenana ny takaitra vokatry ny fiatrehana ny valan’aretina covid-19 tamin’ny taona lasa ;
2. amporisihina ny tsirairay tsy hikely soroka hanao asa lavorary ka hifady ny kolikoly indrindra indrindra ;
3. nankasitraka ny fiaraha-miasa nasehon’ny tsirairay, sy nanamafy ny fahavononana hifanome tanana amin’ny rehetra ny tenany, mba hahafahan’ny APMF hitondra hatrany fanatsarana sy fampandrosoana amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy eto Madagasikara.
Ny fianakaviamben’ny APMF dia mirary taona zina sy feno fahombiazana ho an’ny tsirairay.