Actus

Formation des Agents Responsables de la facturation

22 juil 2022

Ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa sy hananana vokatra mifanaraka amin’izany dia notanterahina tamin’ity herinandro ity, ny alatsinainy 18 ka hatramin’ny anio zomà 22 jolay 2022, teto amin’ny APMF Foibe ny fampiofanana ireo tomponandraikitry ny faktiora na ny « Formation des Agents Responsables de la facturation ».

Miisa telo ireo tanjona kendrena amin’ny fampiofanana.

✅ Voalohany dia ny fanavaozana sy ny fanatevenana ny traikefa efa ananan’izy ireo ho fanafainganana ny asa (actualisation des acquis).

✅ Ao ihany koa ny fiomanana amin’ny hampiasana tsy ho ela ny fomba fiasa vaovao mifanaraka ny toetrandro amin’ny alalan’ny « dématérialisation et facturation en ligne ».

✅ Ary ny fifehezana be be kokoa ny lafiny varotra amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo, na ny « aspect commercial ».

Araka izany dia nohamafisina ny fahalalàna mikasika ireo lalàna mifandraika amin’ny asan’izy ireo, izay mikasika ny fifandraisana sy ny fifaneraserana amin’ireo mpampiasa ny seranantsambo sy ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ary ny momba ny fiarahamiasa miaraka amin’ireo tomponandraikitra sy manampahefana isan-tsokajiny any ifotony.

Raha atao bango tokana dia ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa momba ny faktiora omen’ny APMF no tanjona lavitrezaky ny fanofanana.

Miisa 33 ireo mpiasan’ny APMF manerana ny nosy nanatrika ny fiofanana, izay avy amin’ireo Fitaleavamparitra (Directions Régionales) sy Solontenamparitry (Représentations Locales) ny APMF.

Niara-nisalahy nitarika ny atrikasa ireo sampandraharaha misahana ny fitantanana ankapobeny sy ara-bola dia ny « Direction Administrative et Financière », ny « Agence Comptable » ary ny « Direction d’Appui à la Gestion et à la Communication », sy ny Sampandraharaha misahana ny seranantsambo na ny « Direction des Affaires Portuaires », ary ny Sampandraharaha miandraikitra ny mpiasa na ny « Direction des Ressources Humaines » eto amin’ny APMF Foibe.