Revue de presse
Vita ny atrikasa nomen’ny OMI : lehibe ny fari-dranomasina arovana eto
Namarana ny atrikasa, 25 – 29 jolay, ireo mpiofana momba ny fisorohana ny loza an-dranomasina sy an-dranomamy. Nanaraka izany teknisianina 30 avy amina sampana maro, APMF, ACM, CSP, Sar, Spat. Madagasikara rahateo mpikambana ao amin’ny Organisation maritime internationale (OMI), mampiasa radio sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra (Tic). Lehibe ny fari-dranomasina arovana eto. Ny lakandranon’i Mozambika, ohatra, faritra lalovan’ireo sambo lehibe mpitatitra solika, ankoatra izany ny fisian’ireo sambo samihafa hatramin’ireo lakana. Mila fiarovana avokoa ireo rehetra ireo. Napetraka ny rafitra any amorontsiraka, Mahajanga, Toamasina, Antsiranana, Toliara ary Taolagnaro, miampy ny eto Antananarivo.
Maro ny anton’ireo loza
“Lehibe ny fari-dranomasina manodidina, koa mbola betsaka ny ezaka takina”, hoy ny talen’ny APMF, Zipa Jean Hubert. Maro ny anton’ireo loza, noho ny lafiny teknika tsy ara-dalàna, tantsambo tsy ampy fiofanana, mpitondra lakana mandeha an-jambany, tsy fanarahana toetr’andro, sns.
Miankina amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny toetr’andro rahateo ny asa atao amin’ireo rehetra ireo. Mbola hohamafisina izany fisorohana ny loza an-dranomasina izany mandritra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena “Convention de Londres”, ny volana novambra ho avy izao.
R.Mathieu