Revue de presse

Varotra : mandeha an-dranomasina ny 80%-n’ny entana

7 Nov 2016
Taratra

« Ranomasina ho an’ny rehetra sy tombontsoa ho an’ny rehetra ny fitaterana an-dranomasina ». 

 

Lohahevitra nosafidin’ny OMI (Organisation maritime  internationale) ho an’ny taona 2016. Manaporofo izany, 80 % -n’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany mandalo an-dranomasina avokoa. Voalohany, ohatra, ny solika, fototra iray iankinan’ny toekarena.  Ankoatra ny varotra, ny harena an-dranomasina. Madagasikara, manana sisin-dranomasina 5000 km sy velaran-dranomasina 1.800.000 km2. Tokony hifantohana ireo an-dranomasina ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny solika ambanin’ny ranomasina, tombanana hatramin’ny 10,8 miliara barils.

 

Mifamatotra amin’ny ranomasina mampihodina ny toekarena ny seranan-tsambo. Nambaran’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny APMF , nandritra ny Andron’ny ranomasina tany Nosy Be io, ny famaritana politika momba ny fitaterana an-dranomasina sy ny seranan-tsambo. Politika miainga avy amin’ny fifanarahana eo anivon’ny OMI momba ny lalàna rehetra ampiharina eto Madagasikara.

 

Mitaky seranan-tsambo miantoka fiarovana

 

Faritana manokana amin’izany ary tokony ho tanterahina ny fametrahana seranan-tsambo, araka ny fenitra avy amin’ny OMI. Seranan-tsambo, izay fotodrafitrasa miantoka fiarovana sy  fisorohana ny loza. Raha eto aminstika, misy ny morontsiraka na seranan-tsambo tsy ampy na tsy misy io fiarovana sy fisorohana ny loza an-dranomasina io. Manamarina izany ny fanondranana an-tsokosoko andramena sy ireo harena maro hafa.

 

Miasa amin’ireny seranan-tsambo ny olona, mpiasa an-dranomasina. Iray amin’ireny ireo mpibata entana , manana ny sendikany ( Sigma), nitondra ny fitakian’izy ireo : karama, zo ho azy ireo, fiofanana, lalàna momba ny fandraisana mpiasa, sns. Namaly izany ny  APMF, nilaza fa efa nisy hitsivolana fananganana komity iombonan’ny mpiasa, mpampiasa ary ny fanjakana, mandinika ny fangatahan’ireo mpibata entana ireo.

 

R.Mathieu