Revue de presse

“Toekarena an-dranomasina” : miantoka ny fitomboan’ny harinkarena maharitra

21 Jan 2017
Taratra

 

Manantombo i Madagasikara noho ny maha Nosy azy, fananany morontsiraka mirefy hatramin’ny 5000 km. Io valan-dranomasina io azo lazaina fa iankinan’ny toekarena, miainga avy amin’ny fitaterana an-dranomasina. 90 % -ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany miankina amin’ny fitaterana an-dranomasina ; avy amin’io koa ny miantoka ny 95 % ny  fifandraisana. Izay “ny toekarena an-dranomasina”, toekarena fototra sy maharitra. Ny fandraharahana, asa fampandrosoana mora sy ahazoana tombony betsaka, mifototra amin’izany “toekarena an-dranomasina” izany.

 

Ahitana ny endrik’izany koa ny fiompiana sy ny fikarohana maro samihafa any anaty ranomasina ; asa eny amin’ny seranan-tsambo ; fizahantany sy ny maro hafa,  samy sehatra azo trandrahina tsara eto Madagasikara avokoa ireo, manampy tosika amin’ny fampitomboana ny harinkarena  sy manome asa betsaka.

Hitan’ny Vondrona afrikanina io tontolo iray azo trandrahina hahazoana tombontsoa io. Azo atao amin’izany ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fifamoivoizana an-dranomasina aty amin’ny tany samy mpikambana, atao ao anatin’ny fiarovana tanteraka. Tetikasa iray,  “Agenda 2063” , tafiditra ao anatin’izany politika nofaritan’ny Vondrona afrikanina izany , ary eo ny komity misahana ny toekarena ao amin’ny Firenena mikambana momba an’i Afrika  (CEA) miombon-kevitra tanteraka amin’io fijery vaovao io. Betsaka ireo fivoriana nanokanana lohahevitra mahakasika izany asa an-dranomasina izany.

 

Mampitambatra an’i Afrika sy Madagasikara

Mampitambatra an’i Afrika sy Madagasikara ny ranomasina, mampisy ny fiaraha-miasa eo amin’io sehatra io hisorohana ireo olana mety mampisaraka avy amin’ny fari-dranomasina. Na izany aza, arovana ny fifanakalozana. Aty Afrika, ny sehatry ny jono fotsiny, ohatra, mampiasa olona 12 tapitrisa ary eto Madagasikara, hita ny fivoaran’izany sehatry ny jono izany ankehitriny, izay nampiditra 142 tapitrisa euros avy amin’ireo vokatra naondrana any ivelany, ny taona 2016.

Loza ho an’ny firenena ny jono tsy ara-dalàna, koa noho ity sehatra ity manana ny lanjany, hamafisina ny fifanakalozana, indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Laharam-pahamehana ny fandraisana fepetra fiarovana io sehatra io. Andraikitry ny APMF ( Agence portuaire maritime et fluviale ) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mijery izany ankehitriny.

 

R.Mathieu