Revue de presse
Seranan-tsambon’i Toamasina Miatrika fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina
Seranan-tsambo fananam-panjakana ny ao Toamasina na mahaleotena aza ny fitantanana azy na Société de port autonome de Toamasina (Spat). Eo amin’ny lafiny teknika, ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetra andro ny miahy azy ary eo amin’ny lafiny ara-bola, ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola. Zava-dehibe atrehan’ny Spat ny fifaninanana ara-barotra aty amin’ny fari-dranomasina indianina, ka ao anatin’izany ny tetikasa iray goavana amin’izao, ny fanitarana azy. 300 eo ho eo ireo sambo lehibe miantsona ao Toamasina mitondra kaontenera eo anelanelan’ny 200.000 – 230.000.
Koa ho fampiakarana izay fifaninanana izay ny hanitarana azy. Matetika misy sambo efa avy mandalo any Nosy Maorisy sy La Réunion izay vao miditra ao Toamasina. Sambo mitondra entam-barotra avokoa ny maro amin’izy ireo, avy any Azia sy Eoropa. Misy ampaham-bola betsaka tokony hiditra ao amin’ny seranan-tsambo izany, lasa any amin’ireo Nosy manodidina ireo. 75 % -n’ny entana avy any ivelany miditra eto amintsika ao amin’ny Spat avokoa, anisan’izany ny solika. Misy komity fiarovana ny seranan-tsambo, iarahan’ny solontenan’ny Spat, fadintseranana ary ny zandary manara-maso ireo entana rehetra. Ny zava-misy matetika, ireo entana hosoka isan-karazany.
“Ny fiarovana voalohany ny firenentsika amin’ireny fampidirana entana hosoka ireny ny fananan’ny mpiasa toetsaina madio”, hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Spat, Cdt Jami Njoma. Fatiantoka ho an’ny kitapom-bolam-panjakana ireny entana ireny, sady mamono ny mpiray tanindrazana. Manoloana ny fivoaran’ny toetra andro ankehitriny, miezaka ny Spat mampiasa fitaovana arifomba isan-karazany, toy izany koa ireo orinasa miasa ao anatin’ny seranan-tsambo, ny MICTSL, SMMC, Plate forme terminal pétrolier. Seranan-tsambo iray manara-penitra ihany koa ny Ehoala any Taolagnaro. Tsy an’ny fanjakana izy io fa misy fiaraha-miasa amin’ny Spat.
R.Mathieu