Revue de presse
Nosy Be : hamafisina ny fiarovana an-dranomasina mandritra ny “Donia”
Toy ny isan-taona, manantombo ireo mpitsidika an’i Nosy Be, mandritra ny “Festival Donia”. Ankoatra ireo vahiny tonga amin’ny fiaramanidina, maro koa ireo avy amin’ny faritra hafa eto Madagasikara, mandeha an-dranomasina.
Noho izany indrindra, nanamafy ny fiarovana ireo mpandeha an-dranomasina ireo ny Agence portuaire, maritime et fluvial (APMF). Tanjona mandritra ny “Donia”, izay mandeha amin’izao fotoana izao ny tsy hisian’ny loza an-dranomasina mihitsy. Mihamafy, araka izany, ny fanaraha-maso ny fivezivezena, ary hampiharina tanteraka ny lalàna amin’ireo karazana sambo mifamezivezy, indrindra ireo miala eny amin’ny seranan’Ankify mihazo ny seranan’i Hell-Ville sy Ambarovato.
Sambany nisedra fanaraha-maso hentitra toy izao ireo sambo mampitohy an’i Nosy Be sy ireo nosikely manodidina, izay miainga eny Ambarovato. Mahatratra eo amin’ny 80 isan’andro eo mantsy ireo sambo miainga amin’ireo seranana telo ireo. Tsy mandritra ny “Donia” fotsiny ihany, fa hapetraka ho fomba fiasa ny fanajana ny fenitra takina amin’ireo mpitatitra amin’ny sambo.
Zo ny Aina