Revue de presse
Nandritra ny Festival des baleines : Voara-maso ny fitaterana, tsy nisy ny loza
Tratra ny tanjona tsy nitrangan’ny loza, araka ny tatitry ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale) nanomboka ny 30 jona hatramin’ny 15 jolay tany Sainte Marie. Tao anatin’io fotoana io ny « Festival des baleines », nahitana fitomboan’ny sambo mpitatitra mampitohy an’i Soanierana Ivongo - Sainte Marie na Mahambo - Sainte Marie. Samy nandray andraikitra nifanandrify azy nisorohana izany loza izany ny APMF avy aty amin’ny foibe Antananarivo sy ny avy ao Toamasina. Natao ny fanentanana sy ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony ho fampahafantarana ny fepetra. Nantsoina tamin’izany ireo tompon-tsambo sy mpitondra, ny zandary sy tafika an-dranomasina. Tao koa ireo avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, hatramin’ny distrika sy kaominina. Mpiara-miombon’antoka amin’ny APMF daholo ireo.
Nisy ny fanaraha-maso teny amin’ny seranana, miainga avy any Soanierana Ivongo na Mahambo sy any Sainte Marie (Port Barachois, Port de l’Ilot Madame, Lokintsy). Narahina akaiky ny toetr’andro. Niezaka ny rehetra nanaraka ny toromarika sy ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina mba hieren-doza. Hamafisina hatrany ny fanarahan-dalàna momba ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Jerena ireo taratasin-tsambo, indrindra ny “permis de navigation”, manaporofo fa vita “visite technique de sécurité”, sy ny fananany fiantohana.
Hampanjary ny fitaterana amin’ny fotoana rehetra
Olona nahazo fiofanana tsara ireo natao hitondra sambo. Raha sanatria misy ny loza, nefa nisy ny tsy fanarahan-dalàna, voasazy ny mpitondra sy ny tompon-tsambo fa miala maina koa ireo izay niharan-doza. Nandritra io fotoana io, nampiofana mpanamory sambo madinika (skippers), miisa 40 ny APMF sy nanome salotr’aina (gilets de sauvetage) 100 tao Soanierana Ivongo ary 100 tao Sainte Marie. Isaorana, noho izany, ireo rehetra nifanome tanana. Tanjona ny hampanjary ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy mandritra ny fotoana rehetra fa tsy natao ho an’ny “Festival des baleines” ihany.
Légende : Ireo sambo mpitatitra ao Sainte Marie.
R.Mathieu