Revue de presse

Mahajanga – Botry rendrika: Mpandeha 11 tsy hita popoka

31 Aug 2016
Tia Tanindrazana

Niala tao Mahajanga, tsy nahazo alalana ny botry « Bienvenue » ny alatsinainy 29 aogositra tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo hihazo an’i Soalala. 12 ireo tao anatin’ilay botry ka mpanamory ny iray. Nitondra entam-barotra toy ny vary, siramamy ary zava-pisotro ilay botry. Vao niala adiny roa anefa dia vaky ny sambo ary niditra ny rano. Niezaka nanary ireo rano tafiditra tao ireo mpandeha sy ilay mpanamory  saingy tsy tana intsony ireo rano betsaka tafiditra. Nilentika ilay botry vokatra vesatry ny entana tao anatiny. Samy nanavotra ny ainy ireo mpandeha ka ilay mpanampory ihany hatreto no avotra, hita teny amin’ny sisintanin’i Namakia, fa tsy hita ireo 11 hafa. Ilay mpanamory no nampandre ny mponina fa misy botry dobo eny afovoan’ny ranomasina.

 

Raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny zandary sy ny APMF na antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina dia tsy tokony hisy mihintsy ny sambo na ny botry tokony hiasa mandritra ny fisian’ny andro ratsy izay mitondra rivo-mahery any an-toerana amin’izao saingy tsy nanaja io fepetra io ity botry ity fa dia lasa hatrany ka izao nampidi-doza izao.

 

Tolin