Revue de presse

Loza an-dranomasina : Tsy fanarahan-dalàna no betsaka eto amintsika

28 Oct 2015
Taratra

Nanomboka omaly eto an-dRenivohitra hatramin’ny 29 oktobra ny fivoriana iraisan’ny faritra Afrika Atsinanana, momba ny fisorohana ny loza an-dranomasina. Ny atao amin’izany ny fikarohana sy fanavotana na ny Sar (Search And Rescue). Firenena enina aty Afrika Atsinanana : Angola, Mozambika, Afrika Atsimo, Namibia, Kaomoro ary Madagasikara, miaraka mamolavola laminasa ny fikarohana sy fanavotana amin’izay mety tranga amin’ny loza fitaterana an-dranomasina. Tompon’antoka voalohany amin’ny laminasa rehetra ny OMI (Organisation maritime internationale), mametraka ireo lalàna iraisam-pirenena tokony harahina amin’izany fisorohana ny loza izany. Mampihatra izany eto an-toerana ny APMF (Agence portuaire maritime et fluvial) sy ny minisiteran’ny Fitaterana. Tanjona, ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany.

 

Mbola tsy mihatra eto ny AIS

 

 “Ny loza amin’ny fitaterana an-dranomasina mitranga eto amintsika, noho ny tsy fanarahan-dalàna : tsy manaraka toetr’andro sy ny ora tokony handehanana, tafahoatra ny lanja hoentina. Hita izany, ohatra, eo amin’ny mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Sainte Marie”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitaterana, Rakotoarinirina Tiana Rigobert. Amin’izao fivoriana izao, tsy maintsy arahina ny fepetra iraisam-pirenena amin’ny maha mpikambana antsika ao anatin’ny OMI. Nosy i Madagasikara, manana morontsiraka lavabe, 5.600 km, sarotra arovana ankoatra ny faritra ara-toekarena (Zone économique exclusive). Araka izany, misy ireo teknolojia vaovao fiarovana ny fitaterana an-dranomasina, toy ny AIS (Automatic identification system), izay tokony efa hampiharina eto Madagasikara. Fantatra avy amin’io AIS io izay rehetra momba ilay sambo, ny entana hoentiny, ohatra,  andramena (bois de rose) sy ny lalan-kalehany.

 

Tsy ho an’i Madagasikara irery ihany

 

Andraikitry ny APMF ny manara-maso ny fampiharana ny lalàna rehetra ho fisorohana ny loza amin’ny fitaterana an-dranomasina sy ny renirano amin’ny fanatanterahana ny lalàna iraisam-pirenena”, hoy ny mpanara-maso iray ao amin’ny APMF, Ramorasata Ferdinand. Ny andrasana amin’ny fivoriana toy izao, tsy ho an’i Madagasikara irery ihany fa iraisan’ireo tany mpikambana enina araka namaritan’ny OMI azy. Vanim-potoana hisian’ny fifanakalozana ny telo andro iarahan’ny teknisianina avy amin’ireo firenena ireo.

 

Légende : Ireo teknisianina an-dranomasina iray faritra amin’i Madagasikara.

 

R.Mathieu