Revue de presse
Loza an-dranomasina : betsaka ny tsy fitandreman’ny olombelona
"80 % -n’ny loza an-dranomasina eto amintsika, noho ny tsy fitandreman’ny olombelona", hoy ny capitaine de vaisseau Randrianasolo Jean Charles, mpanolotsaina momba ny fisorohana ny loza an-dranomasina ao amin’ny APMF. Manao ezaka ny APMF mampahafantatra ny lalàna rehetra tsy maintsy arahina amin’ny asa an-dranomasina, indrindra ny fanaraha-maso momba ireo mpanamboatra sambo. Misy Secren any Antsiranana, fa hita manao izany asa izany any amin’ny seranan-tsambo hafa, ary misy ny fanamboarana an-tsokosoko, ivelan’ny sehatra ara-dalàna.
Amin’izao fotoana izao, mamantatra izay toerana rehetra misy fanamboarana sambo ny ao amin’ny APMF ahitana ireny mpanamboatra sambo tsy ara-dalàna ireny. Marihiny fa misy dingana tsy maintsy arahina mialoha ny tena hiasan’ny sambo iray. Na ireo botry aza, mandalo fanaraha-maso ny lafiny teknika raha ny tokony ho izy. Manan-talenta amin’ny fanamboarana io karazan-tsambo ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Na izany aza, ilaina izay fanaraha-maso izay. Ny karazan-kazo fampiasa tamin’izany tany amin’ny taona 80, tsy mitovy intsony amin’ny ankehitriny.
Ao anatin’izany fisorohana ny loza izany koa ny fampiharana ny code ISPS sy ny code de Djibouti eto amintsika, izay nampihena ny asan’ireo jiolahintsambo aty amin’ny fari-dranomasina misy antsika. Fepetra sy paikady maro ny arahina amin’izany. Ireo rehetra ireo, mitaky fahaiza-manao sy traikefa avo lenta.
R.Mathieu