Revue de presse
Fitaterana an-dranomasina : hiatrika ny fifaninanana ny seranan-tsambon’i Toliara
Antitra loatra ny seranan-tsambon’i Toliara, izay efa naorina tany amin’ny 80 taona lasa. Manoloana izany, mandeha ny asa fanitarana azy ankehitriny, iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana, APMF sy mpiara-miombon’antoka.
Mijery ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toliara ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramanantsoa Ramarcel, miaraka amin’ny tale jeneralin’ny APMF, kolonely Zipa Jean Hubert. Atao izao asa fanavaozana izao miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka hiatrehana ny fifaninanana aty amin’ny faritra misy antsika. Marihina fa naorina ny taona 1936 io seranan-tsambon’i Toliara io ary mbola tsy nasiam-panavaozana hatramin’izao.
Hitarina 300 m io seranan-tsambo io miampy ny 195 m efa misy ankehitriny, ahafahana mandray sambo lehibe roa avy hatrany, mirefy 200 m. Lehibe sy maoderina daholo izao ireo sambo vahiny mandalo any amin’iny faritra atsimo iny. Anarivony isan’andro ireo sambo ireo mandalo any amin’iny faritra atsimo iny mihazo ny any Azia, Aostralia, Eoropa, sns. Ankoatra ny fanitarana azy, atao koa ny asa fampivelarana ny seranan-tsambo mahatratra 20 ha, hahazoana mametraka kaontenera lehibe, miampy ireo sampandraharaha maro samihafa misahana ny fitaterana an-dranomasina, fanjakana na sehatra tsy miankina.
Asa efa natomboka ny volana septambra 2015, nataon’ny APMF, ny fanadiovana ny seranan-tsambo sy fanalana ireo fasika. Napetraka mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny izao ny fiarovana ireo sambo amin’ny alalan’ny « Code international pour la sûreté des navires et des installations portuaires (ISPS) », faritan’ny Organisation maritime internationale (OMI).
R.Mathieu