Revue de presse

Fisorohana ny loza an-dranomasina : atrikasa ho fifehezana ny serasera sy fifandraisana

26 Jul 2016
Taratra

Nanomboka, omaly hatramin’ny 29 jolay, manaraka atrikasa ao amin’ny hotely Ibis eto Antananarivo ireo teknisianina samihafa misahana ny serasera sy fifandraisana momba ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Tanjona ny hampihena na tsy hisian’ny loza eo amin’ny fitaterana an-dranomasina, hisorohana indrindra ny famoizana ain’olona.  Misahana izany andraikitra lehibe izany ny Agence portuaire maritime et fluviale (APMF) efa hatramin’ny taona maro izao.

 

Azo lazaina fa atrikasa teknika izao atao izao hiarahana amin’ny  Organisation maritime internationale (OMI), tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-teknika, 2016-2017, iarahana amin’ny OMI, izay mpikambana ao anatiny nanomboka ny taona 1962 i Madagasikara. Ilaina, araka izany, ny fifampitam-baovao tsara ho fantatra eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy aty amin’ny faritra misy an’i Madagasikara, hisorohana ny loza.

 

Fepetra iraisam-pirenena eo anivon’ny OMI

 

Tsara ho fantatra  ireo fepetra iraisam-pirenena nofaritana eo anivon’ny OMI, ny Global Maritime Distressand SafetySystem (GMDSS) sy ny fivoaran’ireo teknolojia momba ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana eo anivon’izany fitaterana an-dranomasina izany.  Ampahafantarina ireo mpandray anjara ny fivoarana ara-teknika. Omena fampahalalana manokana fanampiny momba izany ireo mampiasa radio any amin’ireo foibe any amorontsiraka sy izay miasa ny lafiny teknika momba ny fifandraisana ao amin’ny minisitera  miandraikitra izany, ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro.

 

Kendrena amin’izao atrikasa izao ny fampitàna ny fivoaran’ny fifandraisana, araka ny fepetra takin’ny GMDSS. Miaraka amin’izany ny fandrindràna ny fanangonam-baovao rehetra ary ny fanatsarana, araka izay tratra, ny fomba fiasa eto Madagasikara, manoloana ny zava-misy ankehitriny.

 

Atrikasa amin’ny teny anglisy manontolo

 

Misy manampahaizana manokana nalefan’ny OMI mizara ny traikefany mandritra io atrikasa io, toy ny nataony tany Mozambika sy Kaomôro. Miisa 30 ireo mpandray anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, APMF sy fikambanana maro hafa. Atrikasa atao amin’ny teny anglisy manontolo, teny iraisam-pirenena fampiasa eo anivon’ny OMI. Andrasana amin’ireo mpandray anjara ireo ny fifehezana manontolo ny teknolojian’ny fifandraisana eo amin’ny fitaterana an-dranomasina.

 

R.Mathieu