Revue de presse
Fiambenana ny fari-dranomasina misy antsika : “Omeo patrouilleur plus de 40 m izahay… ”, hoy ny Contre amiral Randriantsoa Michel
Tao anatin’ny fankalazana ny Andron’ny ranomasina, tany Nosy Be ny 4 sy 5 novambra teo, tompon’andraikitra maromaro sivily sy miaramila, notarihin’ny Contre amiral Randriantsoa Michel, nitondra fanazavana momba ny fiambenana sy fisorohana ny loza amin’ny fari-dranomasina misy antsika. Asa betsaka sy fitaovana maro manaraka ny toetra andro no takina amin’izany. Aiza ho aiza isika eto Madagasikara ?
Mirefy 1.400.000 km2 ny fari-dranomasin’i Madagasikara ; 4 tapitrisa km2 izany raha tafiditra ao anatin’ilay faritra Sar, ho an’ny fikarohana sy fisorohana ny loza raha eo amin’ny lalàna iraisam-pirenena ; morontsiraka manodidina mirefy 5000 km. Ireo rehetra ireo mitaky asa maro sy fitaovana manara-penitra, mpikaroka sy teknisianina isan-tsokajiny ary ny tafika. " Ny eo am-pelatanantsika ankehitriny, tsy misy afa-tsy fitaovana maivana sy efa antitra avokoa ”, hoy ny Contre amiral Randriantsoa Michel, lefitra voalohany mibaiko ny Tafika an-dranomasina malagasy. Nohamafisin’io manamboninahitra ambony io, ny hoe « antsika », ny an’ny vahoaka malagasy izany, nefa ny Nosintsika manana harembe tsy toko tsy forohana ao amin’io ranomasina io.
« Omeo patrouilleur plus de 40 m izahay… »
Efa olana goavana hatry ny ela ny tsy fahafahantsika miaro tanteraka ny morontsiraka misy antsika. Ny tapany avaratry ny Nosy ihany no misy foibe mpanara-maso, tsy manana fitaovana afa-tsy vedety kely fito ho an’i Antsiranana, Mahajanga, Nosy Be ary Sainte Marie. Ny tapany atsimon’ny Nosy manontolo, “baranahiny” tanteraka ! Ny any Taolagnaro izao no nangatahin’ny APMF hametrahana foibe mpanara-maso mpiaro ny morontsiraka. Ny any avaratra anefa, mbola anjakan’ny fanondranana an-tsokosoko, anisan’izany ny andramena. Raha nanontaniana momba izany ny Contre amiral Randriantsoa Michel, tsotra ny valinteniny : « omeo patrouilleur plus de 40 m izahay… ». Ny patrouilleur izay hany sisa fananantsika Malagasy izao “Trozona”, nefa toa simba izy io.
Misy solika 10,8 miliara barils
Raha momba ny harena an-dranomasina, ny ao ambany, ohatra, tombanana misy solika tsy latsaky ny 10,8 miliara barils, gazy, karazana harena voajanahary fanaovana fikarohana, trondro ; ny ambony indray, fitaterana an-dranomasina, anisan’ny lehibe, 30 % amin’ireo sambo goavana mpitatitra solika maneran-tany mandalo aty amin’ny fari-dranomasin’i Mozambika. Ireo fivezivezin’ny sambo anarivony isan-taona ireo, tokony hampidi-bola be ho antsika, toy izany koa ny jono, sns. Nitondra fanazavana ny loza mitatao amin’ireo rehetra ireo ny talen’ny Centre régional de fusion internationale maritime (CRFIM), Capitaine de frégate Randrianantenaina Jean Edmond. « Ny tena atahorana ny mety ho fihanaky ny loto an-dranomasina, raha sanatria misy loza mihatra amin’ireny sambo mpitatitra solika ireny sy ny fisian’ireo jiolahintsambo mpanafika », hoy izy.
R.Mathieu