Revue de presse
Faritra Afrika Atsinanana : Miandraikitra ny aro loza an-dranomasina ny APMF
Hatao eto Antananarivo, manomboka anio hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny fivoriana fahatelo aty amin’ny faritra Afrika Atsinanana momba ny fikarohana fiarovana amin’ny loza an-dranomasina na SAR (Search and rescue). Sahanina avy amin’izany ny fomba fiarovana amin’ny loza an-dranomasina rehetra, indrindra ny ain’ny olombelona sy izay tokony harovana rehetra. Madagasikara rahateo, manana morontsiraka 5.600 km, seranan-tsambo 17 sy lakandrano maherin’ny 30. Mitaky mba tsy hitrangan’ny loza amin’ireo rehetra ireo ny lalàna iraisam-pirenena eo anivon’ny OMI (organisation maritime international) nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 1959.
Mitantana izany laminasa izany eto an-toerana, ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale) miaraka amin’ny minisitera na sampandraharaha hafa manana andraikitra mifandray amin’ny asa sy ny fitaterana an-dranomasina na an-dranomamy. Manitatra ny asa ataony momba ny fikarohana sy fiarovana izany ny APMF miaraka amin’ny Cofona (Commandement des forces navales). Tanjona faritan’ny APMF koa ny andraikitry ny fanjakana malagasy aty amin’ny fari-dranomasina Atsinanan’i Afrika.
Firenena enina aty Afrika
Afrika Atsimo, Angola, Namibia, Mozambika, Kaomoro ary Madagasikara niara-nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena aty amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika momba ny aro loza an-dranomasina, ny taona 2013 tany Mozambika. Miantso ireo firenena enina ireo ny OMI, hifandray isan-taona, hifanampy sy hifanakalo traikefa momba izany aro loza an-dranomasina izany. Toy izany koa, nifanakalozana nandritra ny fivoriana faharoa natao tany Afrika Atsimo ny taona 2014 ary fahatelo, izao hotanterahina eto Madagasikara izao. Manampy amin’ny lafiny teknika sy miantoka ny fahatongavan’ireo mpandray anjara ny OMI. Ny APMF kosa, misahana ny fananterahana ny fivoriana eto Antananarivo.
R.Mathieu