Revue de presse
Fanamarihan’ny APMF: Mitombo ny fitaterana an-dranomasina any Sainte Marie
Misongadina ny fitaterana ireo entam-barotra samihafa, ataon’ireo karazan-tsambo avy any Toamasina, Mananara, Antalaha, Maroantsetra. Mitombo ny fitaterana an-dranomasina miditra sy mivoaka any an-toerana amin’izao fotoana izao. Misy 30 eo ho eo ireo sambo ireo mampiditra entana any Sainte Marie, ka mandrindra izany ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale). Misy sambo efatra (Cap Ste Marie, Melissa, Gasikara, El Condor) mitondra mpandeha fotsiny ankoatra ireo mpitatitra entam-barotra samihafa sy ireo sambo mpanjono lehibe miisa 10 an’ny orinasa SPMS avy atsy La Réunion. Ahitana sambo vaventy (paquebots) roa na telo isan-taona koa mandalo any an-toerana.
Araka izany, tsy maintsy natao ireo asa fanajariana ny seranan-tsambo. Anisan’ny tompo-marika amin’izany ny APMF miaraka amin’ireo minisitera sasany. Manana anjara asa lehibe koa ny APMF momba ny fitaterana an-dranomasina, manome alalana ireo tantsambo sy sambo miasa amin’ny fari-dranomasina eto Madagasikara. Tsy mora ny asa miandry, raha momba ny fanomezana fahazoan-dalana fotsiny, ohatra, misy karazany maro ( permis de navigation, naturalisation, matriculation, capacité, brevet ho an’ny tantsambo).
Tsy ampy ny tantsambo malagasy
Anisan’ny tetikasan’ny APMF koa ny fanamboarana seranan-tsambo iray any Lokintsy, 15 km avaratry ny tanàna. “Ny tantsambo amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy ampy eto Madagasikara, nefa isika Nosy. Tsy nisy fijerena lavitra izay lafiny izay , araka ny maha Nosy antsika, manana moron-dranomasina maherin’ny 5000 km”, hoy Ramanantoanina.“Vitsy sisa ny tantsambo malagasy ankehitriny, hita koa anefa fa toa tsy fantatry ny tanora malagasy maro izay maha Nosy antsika izay, nefa isika manana sekoly fianarana tantsambo, Enem any Mahajanga”, hoy ihany Ramanantoanina ao amin’ny APMF.
Miara-miasa akaiky amin’ny sampandraharaha famantarana ny toetr’andro koa ny APMF, ankoatra ny azy manokana. Nomarihan’ny solontenan’ny APMF any an-toerana, Ramanantoanina, fa ho fisorohana ny loza, tsy azon’ireo sambo atao mihitsy ny miasa raha ratsy ny andro. Raha tapaka roa andro fotsiny, ohatra, ny fitaterana mampitohy an’i Sainte Marie, efa betsaka ny fahasahiranana hita any an-toerana.
Légende : Ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Sainte Marie.
Enem * : Ecole nationale d’enseignement maritime
R.Mathieu