Revue de presse
APMF - Festival Tsôlabe : Maro ny Malagasy tonga any Sainte Marie
Na eo aza ny olana eo anivon’ny orinasa Air Madagascar, niteraka fanafoanana fahatongavan’ny mpizahatany any Sainte Marie, mandritra ny « Festival Tsôlabe » (Festival des baleines), mitombo ihany ny mpizahatany tonga any an-toerana, malagasy na vahiny.
Manao ezaka manokana mitady vahaolana amin’ny fitaterana mankany Sainte Marie ny Agence portuaire maritime et fluviale (APMF), miara-miasa amin’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra. Nojerena avokoa ny vahaolana rehetra ampitomboana ny isan’ny sambo sy vedety mankany Sainte Marie, hanomezana fahafaham-po ny rehetra. Misongadina amin’izao “Festival Tsôlabe” izao ny fahamaroan’ny teratany malagasy tonga any Sainte Marie. Misy mihitsy amin’ireo mpizahatany malagasy ireo, avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Fanamby apetraky ny APMF ny tsy hisian’ny loza, amin’ny fanaraha-maso ny fepetra tokony horaisin’ireo mpitatitra rehetra. Ho an’ireo sambo lehibe, efa misy fiarovana ny ain’ny mpandeha, manampy izany ny APMF ho an’ireo mpitatitra madinika amin’ny fizarana “gilet de sauvetage” sy fanaraha-maso ny lafiny teknika rehetra mialoha ny hialana eo Soanierana Ivongo na Mahambo sy ny avy any Sainte Marie.
Nanambara ny mpiandraikitra ny APMF any Sainte Marie, Ramanantoanina Alphonse fa manohy manao ny asany ara-dalàna izy ireo manerana ny Nosy. “Tsy misy seranan-tsambo mikatona na iray aza na tantsambo manao fitokonana. Mahajanga, ohatra, nandray paquebot iray avy any Morondava, mialoha ny nandehanany any Mayotte”, hoy Ramanantoanina Alphonse. Aparitaka amin’ny farira maro manerana ny Nosy ny fanatsarana ny fitantanana ireo seranan-tsambo, indrindra eo amin’ny lafiny teknika.
Légende : Fiaingana avy eo Mahambo, ahitana mpizahatany maromaro.
R.Mathieu