Revue de presse
Ambasady Amerikana : Mitsabaka amin’ny fiarovam-pirenena
Efa ho 150 taona izao no nifandraisan’i Madagasikara tamin’i Etazonia ary tao anatin’ny filaminana sy firahalahiana tanteraka no nisian’izany fiaraha-miasa izany ary nahitam-pahombiazana tokoa. Toa tsy mitovy anefa ankehitriny ny fandikana ity hoe fiaraha-miasa ity satria dia miendrika fitsabahana amin’ny fiainana anatin’ny firenena ny fihetsika nasehon’ny ambasady Amerikana manodidina ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina.
Namoaka fanambarana tamin’ny tambazotra facebook mantsy ny ambasady Amerikana miasa eto Madagasikara, fanambarana toa manohintohina ny andraikitry ny APMF (Autorité Portuaire Maritime et Fluviale) mikasika ny fametrahana ny fenitra ISPS sy ny fomba hamatsiana vola izany tetikasa izany izay tokony adihevitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina kanefa nidiran’ny ambasady Amerikana. Tena fitsabatsabahana amin’ny raharaha anatin’ny firenena malagasy mihitsy no voalaza tao anatin’ilay fanambarana.
Mifanohitra ihany anefa ny zava-misy rehefa dinihina. Namory ireo firenena Afrikana maro momba ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina tany Abidjan ny governemanta Amerikana izay nandraisan’ny APMF anjara. Nambaran’ny “chargé d’affaires” an’ny ambasady Amerikana miasa any Côte d’Ivoire, Andrew Haviland, fa “ny fametrahana paikady hiarovana ny tontolo an-dranomasina isaka ny firenena tsirairay avy no zava-dehibe indrindra”. Ny mpiara-miasa aminy aty Madagasikara anefa manohitra ny fametrahana izany paikady hiarovana ny tontolo an-dranomasina izany. Manaraka izany, nandrafitra lisitra misy ny anaran’ireo seranana mampitahotra amin’ny lafiny trafika sy ny terorisma ry zareo Amerikana ny taona 2002. Voatonona tamin’izany i Madagasikara ary ireo seranana rehetra eto amintsika. Zavatra hafa mifanohitra amin’izany indray anefa no voalaza tao amin’ilay fanambarana navoakan’ny ambasady Amerikana miasa eto amintsika tao amin’ny facebook.
Hiaraha-mahalala fa mitaky asa goavana ary lavitr’ezaka ny fametrahana ny fenitra ISPS eo amin’ny fampiharana, ny fotodrafitrasa, ny famatsiam-bola, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpifanila-bodirindrina, ny andraikitry ny sehatra tsirairay avy (tsy miankina sy ny fanjakana) ka mila fandinihana tsara tokoa. Tsy manan-jo hijery izay fomba hampiharana azy araka ny fiheverany azy ve ny Malagasy? Apetraka amin’ny governemanta Amerikana izany fanontaniana izany.
Mazava be ny tatitra navoakan’ny tambazotra iraisam-pirenena “Traffic” mikasika ny fanondranana an-tsosoko ireo andramena izay manimba ny tontolo ara-toekarena sy ara-ekolojikan’i Madagasiakra ka mampametra-panontaniana hoe : inona izao fihetsiky ny ambasady amerikana izao? Inona izao tsy firindran-kevitra izao? Ndrao dia fahadisoana tsy nahin’ny ambasady amerikana fotsiny ihany izany ireny nivoaka tamin’ny facebook ireny? Sa kosa ilay fomba amam-panao mahazatra ny amerikana tia mitsabatsabaka amin’ny raharaham-pirenen’ny firenen-kafa ihany izao ataon’ny ambasady Amerikana miasa eto amintsika izao? Fantatry ny ambasady ve fa fiarovam-pirenena mihitsy no voatohintohina amin’ireny fanambarana nataon’izy ireo mikasika ny tontolo an-dranomasina ireny?