Revue de presse

ACD - APMF : Ho fiarovana ny fitaterana an-dranomasina

11 Dec 2015
Taratra

Taorian’ny 11 septambra 2001 tany Etazonia, nofaritan’ny OMI (1) ny ISPS (2) ho fiarovana ny fitaterana an-dranomasina sy ny seranan-tsambo rehetra maneran-tany. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APMF, Zipa Jean Hubert, fepetra iray noraisina mifanaraka amin’izany ny ACD (3), izay efa ampiharin’ny firenena maro aty Afrika sy any Azia, nanomboka ny taona 2004.  Avy amin’io ACD io no ahafantarana mialoha ny entana rehetra afarana avy any ivelany hiditra eto Madagasikara na ny miala eto haondrana any ivelany. 

Andoavana sarany any ivelany ny fanaovana izany, 85 euros ny kaontenera, mialoha ny fiaingan’ny sambo ho avy aty Madagasikara, hahafantarana mialoha amin’ny antsipiriany izay hampidirina eto. Tsy mbola andoavana izany kosa ny entana miala eto halefa any ivelany, saingy taterina ho fantatry izay firenena handray azy. Noho izany, tsy misy vola aloa intsony momba io ACD io eto an-toerana”, hoy ny tale jeneralin’ny APMF. 

Raha ny fanazavan’ny APMF ihany, taona maro no tokony efa ho nampiharana izany eto Madagasikara, ho fidiram-bolan’ny fanjakana. Amin’ireo seranan-tsambo 17, dimy ihany ny iraisam-pirenena : Antsiranana, Mahajanga, Toliara, Taolagnaro ary Toamasina. Koa hanamboarana ny seranan-tsambo ny vola avy amin’io ACD.

 

Tsy mazava amin’ireo mpandraharaha

 

Na izany aza, mametraka ny ahiahiny ireo mpandraharaha eto an-toerana. Betsaka ny tsy mazava, indrindra ny amin’io ATPMS io. Manamafy ihany ry zareo ny amin’ny fiaraha-midinika. Efa maro ny vesatra amin’ny fanafarana entana, tsy maintsy jerena ihany koa anefa ny harinkarena faobe eto an-toerana, mialoha ny handraisana izao fanapahan-kevitra izao, raha ny filazan’ireo mpandraharaha ireo ihany. Koa antenaina izany fa hitohy hatrany ny fiaraha-midinika eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina.

 

OMI (1) : Organisation maritime internationale

ISPS (2)   :  International Ship and Port Security

ACD (3)   : Advance Cargo Declaration

ATPMS (4)  : Associated transport & Port management system

 

R.Mathieu